Tantaran'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Orateur :

Isaorana ireo nanangona sy nanantontosa an'ity Tantara ity. Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ? Reverend Mounir Aziz DADOUD • 24 Jona 1924 – 12 Febroary 2004, • Kurde niova fo, teraka tao Mossoul (Irak) teratany avy any Turquie ny fianakaviany, nandalo tao Irak ary nifindra avy eo tany Egypte, • Voavonjy tamin’ny faha 19 taonany, • Pasteur BARSOUM no nitaiza sy nampianatra azy taona maro tany Egypte, • Nianatra teo am-pandohalihana ny Baiboly • Isan’ny Service d’Ordre an’i Sr Jane Collins tamin’ny évangélisation 1951 Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ? Evanjelistra Jane COLLINS : • 1912 – 10 Jolay 1999, • Teratany Américaine – Dallas Texas, • Voavonjy tamin’ny faha-11 taonany, • Nahavita fianarana ambony tamin’ny teny Espagnol ary nampianatra, • Nianatra Sekoly Biblique Baiboly tao Waxachie USA • Misionera tany Perou nandritra ny 6 taona • Nitondra ny évangélisation tany Egypte tamin’ny 1952 Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ? • Niverina tany Dallas Etats-Unis tamin’ny faran’ny taona 1952, • Nanangana ny “The Voice of Miracles and Missions”, tamin’ny taona 1953, izay lasa “International Bible Association” taty aoriana, Nihandohan’ny fifohazam-panahy teto Madagasikara : • Niala sasatra teto Madagasikara ny voalohan’ny taona 1961, taorian’ny fitoriana filazantsara tany Ouganda, • Mai 1961 : Fitoriana filazantsara voalohany tany amin’ny Stade Cheminot Antanimena (Embouteillage), nafindra teny Fenoarivo (14km) – samy naharitra 25 andro, 1.a Vokatra : Olona an’arivony maro nihaino ny toriteny ankalamanjana, maro nandray famonjena sy fanasitranana, ary na dia ny marary teny amin’ny hopitaly aza nisy nivoaka ara-tantara. Ny fiantombohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ? • Taorian’ny fitetezam-paritany, nandre ny antso hanorenana fiangonana tao Ambatondrazaka, “Atsaharo ny fivoriam-panasitranana mitety tanana, fa ATSANGANO NY FIANGONANA ARAKA NY FOTO-PAMPIANARAKO ETO AMIN’NY NOSY ITY” • Nifady hanina 21 andro izy ireo, • Nanao fotoam-pivavahana tao Sainte-Marie Kely, Tana ary nanangana ny Association Cultuelle Pentecôtiste Jesosy Mamonjy, rehefa feno 100 ny Mpino, Ny fiantombohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy : • Oktobra 1962 : niorina ny fiangonana Jesosy Mamonjy, • Aprily 1963 : nividy ny tanimbary Ankorondrano, • 01 Jolay 1963 : didim-panjakana nivoaka nankato ny fiorenan’ny FJM, • Septambra 1963 : nidirana voalohany ny trano FJM, • 09 Oktobra 1963 : Notokanana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, • 22 Desambra 1963 : Nanaovana batisa voalohany, Ny fivoaran’ny asan’Andriamanitra teo amin’ny FJM : • Martsa 1964 : nanombohan’ny mpino nitoriteny sy nijoro vavolombelona, • 06 Jolay 1964 : nanofana Evanjelistra sy Sekoly ara-baiboly voalohany – Mpampianatra Sr Jane Collins • Oktobra 1965 : naparitaka ny Evanjelistra sy SAB ho any Ambatolampy, Moramanga, Ambatondrazaka ary Toamasina, • Septambra 1966 : nahazo tany tao Toamasina, • 1967 : Fitoriana filazantsara teto Fianarantsoa (tohin’ny fangatahan’ny Chef de Province Fianarantsoa mivady), tao amin’ny Stade Ampasambazaha : Talata – Alatsinainy. Ny nandroahana an’i Révérend DAOUD mivady : • 25 martsa 1967 : Niala teto Madagasikara ny Revérend DAOUD mivady mpanorina ny FJM noho ny didim-panjakana fandroahan’ny Governemanta Malagasy vokatry ny hetraketraky ny mpialona, sy mpankahala, izay nanely tsaho maro (Oh : mpangalatra volamena, mpanafatra fitaovam-piadiana amin’ny baoritra, mpangoron-karena, …) • Teniny rehefa niala teto Madagasikara : “HITAKO LAVITRA NY ZAVA-TSAROTRA HIANJADY AMIN’ITY FIANGONANA ITY” • Nihazo an’i Limuru Kenya izy ireo, avy any indray no nihahiany ny FJM teto Madagasikara. Ny nikatonan’ny fiangonana Jesosy Mamony : • May 1967 : Niangavy ny Misionera Jetter avy amin’ny ADD ny mpanorina mba hampahery ny mpino, • 02 Jolay 1967 : Fitokanana ny FJM Toamasina • 09 Jolay 1967 : Nitaona ny olona hivadika ADD ingahy Jetter/Gilles – Nanontany an-taratasy ny Mpanorina ireo Evanjelistra. • 27 Jolay 1967 : Namaly ny mpanorina ary nazava ny fanodikodinana nataon’Ingahy Jetter/Gilles,


Même orateur

Titre Date Rubrique
Ny hazofijalinan'i Jesosy 19 Martsa 2024 Ho an'ny Rehetra
Manaraha Ahy 23 Martsa 2024 Ho an'ny Rehetra
Ny fitiavan'i Jesosy antsika 27 Martsa 2024 Ho an'ny Rehetra
Ny finoana an'i Jesosy Kristy 10 Jolay 2022 Ho an'ny Rehetra
METEZA HO DIOVIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA 10 Jolay 2022 Ho an'ny Rehetra
Ny fihoaran'ny fahatsarana ny fahalalana an'i Jesosy Kristy 10 Jolay 2022 Ho an'ny Rehetra
Tsy mijery na inona na inona afa-tsy Jesosy voahombo teo amin'ny Hazofijaliana. 10 Jolay 2022 Ho an'ny Rehetra
JESOSY MAMONJY ANKADINDRATOMBO Fijoroana Vavolombelona / vita Batisa (26-09-2021) Partie I 26 Septambra 2021 Fijoroana Vavolombelona
JESOSY MAMONJY ANKADINDRATOMBO Fijoroana Vavolombelona /vita Batisa (26-09-2021) Partie II 26 Septambra 2021 Fijoroana Vavolombelona
Fijoroana vavolombelona Fiangonana Jesosy mamonjy 21 Septambra 2021 Fijoroana Vavolombelona
BATISA - Pst Raymond RANDRIANATOANDRO 04 Febroary 2024 Ho an'ny Rehetra
Miverenà eto BETELA - Pst Toky NOMENJANAHARY 04 Febroary 2024 Ho an'ny Rehetra
Ao amin'i Jesosy ny loharanonao rehetra. Ho an'ny Rehetra
Fanatitra ho an'Andriamanitra 03 Martsa 2024 Ho an'ny Rehetra
Misaora an'Andriamanitra 31 Desambra 2023 Ho an'ny Rehetra